<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jeso Mpamonjy, Mpanavotra any! FFPM629</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Mpamonjy,
 Mpanavotra anay !
 Tafangona eto anio izahay
 Hidera sy mba
 hankalaza Anao,
 Fa Tompo namonjy
 anay Hianao :
 Haleloia ! Haleloia ! Hosana
 an'ny Avo !
 Haleloia ! Haleloia ! Hosana
 ho Anao !

[V2]
 Ry Jeso, Sakaiza
 tsy mety mandao !
 Sakaiza tsy mba mahafoy
 Hianao
 Mijery anay raha misy manjo,
 Ho aron'ny tena
 sy tokin'ny fo :
 Haleloia ! .. sns.

[V3]
 Ry Jeso Mpanjaka
 Mpiaro anay !
 Handroso hiady tokoa izahay,
 Ka dia vonjeo handresy izao,
 Fa tsy mba ho resy
 izay manana Anao :
 Haleloia ! .. sns.

[V4]
 Ry Jeso, Mpitarika
 anay ho arý
 Tariho izahay tsy hivily atý.
 Ka dia hamantana
 ao Aminao,
 Fa faly miandry anay Hianao
 Haleloia ! .. sns.</lyrics>
<hymn_number>629</hymn_number>
</song>